<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Atolotray hatao batisa
 Ny zanakay Jesosy ô !
 Irinay izy mba ho isan'
 Ny zaza arovanao.

[V2]
 Izahay izao efa nifidy
 Anao handray ny zanakay ;
 Ka raiso izy fa voavidy
 Noho ny ranao soa.

[V3]
 Soraty izy mba handova
 Ny lanitra fonenanao,
 Ka ny Fanahinao hanova
 Ny fony ho Anao.

[V4]
 Tahio ny fahazazany
 Ho fanorena-marina ;
 Ampianaro azy izany,
 Mivavaka Aminao.

[V5]
 Tantano izy mandra-pita,
 Ho tonga ao an-danitra,
 Ka aoka izy mba hahita
 Anao an-dalany.

[V6]
 Ka amin'ny fotoana feno,
 Handaozany ity tany ity,
 Omeo toky, iteneno :
 « 'Ndeha hody, anaka ».</lyrics>
<title>Atolotray hatao batisa FFPM250</title>
<hymn_number>250</hymn_number>
<author>Rakotonjanahary</author>
</song>